Malagasy zatra resy !
Zatra resy ny Malagasy ary mahay mionona sy afa-po amin’ny vokatra tsy mahomby. Porofon’izany ny resaka lalao basikety aty Afrika izay efa fanao eto amintsika nandritra ny taona vitsivitsy izay. Tsy mbola nahazo anaram-boninahitra mihitsy i Madagasikara tamin’ireo sokajy rehetra nataon’ny ekipam-pirenena teto amintsika nefa dia faly sy afa-po hatrany ny rehetra. “Efa tsara kosa ireny e!”, “Nahafa-po ny vokatra e!”, “misaotra tamin’ny fampisehoana sy ny fientanam-po e!”, “tena mahay ny gasy!” nefa tsy nahazo medaly akory. Santionany entina ilazana ireo fa mora afa-po amin’ny vokatra kely sy ny tsy ampy ny Malagasy. Tsy ny mpilalao anefa no tsy mahay na ny tanora malagasy ny dondrona fa hita taratra ihany eny amin’ny vokatra azo ny aretina mikiky ny fitondram-panjakana. Tena mitombina ilay fandinihina milaza fa eny amin’ny fanatanjahan-tena no ahitana ny fivoaran’ny firenena iray. Io iaraha-nahita tamin’ny vokatry ny basikety zazavavy latsaky ny 16 taona aty Afrika io ny zava-misy. Tena hita fa nahay sy niady mafy ireo tovovavy malagasy ary tsy mena-mitaha amin’ny afrikanina lava be mihitsy saingy tsy nahomby firy. Tsy tafiditra ho anisan’ireo ekipa 4 voalohany tamin’ny 9 nandray anjara akory. Marisarisa ny firenena ka marisarisa toy izany ihany koa ny fanatanjahan-tena. Misy milaza hoe mbola zaza kosa anie ireo mpilalao ireo e! Eny ekena izany fa mbola zaza ihany koa ireo afrikana naharesy azy. Rehefa resy dia resy ary rehefa tsy nahazo medaly dia naman’ny tsy nahay izany ho an’ireo nifanandrina tamintsika. Io fanekena fa tsy nahay io no fanoitra lehibe indrindra hanarenana ny tsy nety amin’ny manaraka ary hisondrotana amin’ny ambony kokoa. Raha toa mantsy milaza ho afa-po sy tsy misy tomika ny ekipam-pirenena malagasy dia tsy misy tokony havaozina intsony izany. Efa mety amintsika iny vokatra iny ka dia aleo mionona amin’iny. Izay ilay toe-tsaina voazanaka. Rehafa nahazo toerana na ratsiratsy aza dia efa mionona. Tsy mba mikendry ny ho lohany mihitsy fa faly rehefa mipetraka eny an-tsisitsisiny eny.
Mbola manampy izany ny fihintsanan’ny ekipam-pirenena teo amin’ny dingana voalohany nandritra ny fiadiana ny amboara eran-tany ho an’ny lalao baolina kitra ambony torapasika. “Premier tour” dia vita hoy ny fitenenana izay. Dia mbola mihoby sy mankalaza ihany ny vahoaka fa tena henjana ny ekipam-pirenena na dia nody tanam-polo aza.
Eny amin’ny fanatanjahan-tena io toe-tsaina faly sy afa-po amin’ny faharesena io no tena hita misongadina nefa ihany koa tena hita taratra eny amin’ny fiainam-pirenena ihany koa. Hita mazava ary iainan’ny malagasy andavanandro izao fa firenena faran’izay mahantra sy tsy mety mandroso mihitsy i Madagasikara nefa dia mbola sahin’ny mpitondra ihany ny milaza fa be ny zavatra vita fa ny mpanenjika no betsaka. Dia mbola mirehareha fa tena tratra ny tanjon’ny fampandrosoana ary tafakatra 94% mahery ny taham-pahombiazan’ny zava-bita tao anatin’ny 100 andro. Ny vidim-piainana anefa tsy mitsaha-mitombo, ary miha-miakatra toy izany ihany koa ny isan’ireo fara hidiny sy mpatory an-tsena. Ny tanàna maloto, ny asan-jiolahy miha-mafy isan’andro ary tena azo lazaina fa firenena anisan’ny hanjakan’ny tsy fandriampahalemana indrindra maneran-tany i Madagasikara. Dia mbola misy sahy milaza ihany fa mety ny zava-misy eto ary tena mahomby ny mpitondra. Ireto farany rahateo manizingizina fa hanohy hatramin’ny farany ny andraikitr’izy ireo ary tsy hanova olona izany satria efa mety ny atao. Dia mangina ny Malagasy manoloana izany rehetra izany. Tsy mahagaga fa efa zatra ilay toe-tsaina resy lava. Mionona amin’ny tsy fahombiazana sy ny fanambaniana. Rehefa mahita vary arapaka isan’andro sy trano bongo hisitrihana dia efa afa-po ary mahatsapa-tena fa miaina. Tsy izany anefa ny fampandrosoana ary mendrika ny hanana ny ampy sy hiaina ao anatin’ny fiadanana tanteraka ny vahoaka malagasy satria nomen’Andriamanitra harena be ara-voajanahary azo trandrahina sy avadika ho fanoitry ny fampandrosoana. Fotoan’ny fifidianana izao hanararaotan’ny tsirairay hanehoana fa tsy manaiky ny tolorana vokatra tsy zarizary sy tsy mahafa-po intsony ny vahoaka malagasy fa mila olona tena mahavita sy tena miasa.
Ravalo tsy Manana