Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Ambilobe – Ramatoa maty novonoin’ny vadiny

Ady paraky no nahatonga ny fifamonoana. Renim-pianakaviana iray 40 taona no maty novonoim-badiny tany Andaingobe, ao amin’ny fokontany Andrifialava any amin’ny kaominina Betsiaka ao amin’ny distrikan’i Ambilobe, ny voalohan’ny herinandro lasa iny.

Daroka sy totohondry no nataon’ilay rangahy azy rehefa tsy nahatana ny hatezerana izy. Vokatry izany dia namoy ny ainy avy hatrany ilay ramatoa.

Tsy nitsoaka kosa ilay rangahy manoloana ny fahotana mahafaty vitany fa niandry ny fahatongavan’ny mpitandro filaminana mba hisambotra azy. Araka ny filazany dia tahotra ny iharan’ny fitsaram-bahoaka no tsy nandosirany.

Efa an-taonany maro izy no niara-nipetraka ary efa fanaon’izy roa ihany ny miady sy ny mifamono an-trano ary izao niafara amin’ny famoizana ain’olona izao.

Nametraka fitoriana an’ilay lehilahy nahavanon-doza ny fianakavian’ny maty. Taorian’ny famotorana natao an’ilay rangahy dia nampidirina vonjimaika ao amin’ny fonjan’ny Ambilobe mandra-pahatonga ny fitsarana azy.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre