Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Toamasina – Saika hifampitifitra indray ny Polisy sy ny FIGN

Manao ny asany andavanandro amin’ny fanakatonana ireo toeram-pisotroana mbola misokatra mihoatra ny amin’ny 10 ora alina ny Polisy ny zoma 17 jolay tamin’ny 10 ora alina raha toa ka nisy zandary manam-boninahitra avy ao amin’ny FIGN avy any Antananarivo mbola nisotro tamin’ny toeram-pivarotana iray teny amoron-dranomasina ao Toamasina. Ity farany izay nanohitra mafy ny amin’ny fanakatonana io toerana io fa hoe mbola misotro izy ary tsy refesin’ny polisy izany. Tsy nanaiky izany fanoherana izany anefa ny Polisy fa izay no lalàna misy navoakan’ny kaominina efa hatramin’izay.

Raikitra ny fifamaliana tamin’ny roa tonta. Nanao tatitra tamin’ny alalan’ny antso an-tariby tamin’ny lehibeny, ny kaomisera lefitra, ireo polisy. Etsy ankilany dia niantso ny namany koa ireo zandary FIGN ka zandary iray fiara sy manao saron-tava efa vonona ny hitifitra no nigadona teo amin’io toerana io ary nandrahona ireo polisy.

 

Nihorohoro ny manodidina

Naharitra adim-pamantaranandro iray sy sasany ny fiziriziriana teo amin’ny roa tonta. Ny fahatongavan’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena avy tao amin’ny toby Gallien no nampilamina ny raharaha. Nandritra izany dia nitebiteby sy nihorohoro  tanteraka ireo olona teny amoron-dranomasina. Na ahoana na ahoana mantsy dia handratra sy hahafaty olona tsotra ny mety ho fifampitifirana teo amin’ny roa tonta raha raikitra teo.

“Aza eritreretina ny iantsoanay “renfort” fa ho zava-doza ny eto. Tsy asan’ny FIGN ny fandaminana anatin’ny renivohitra satria tsy misy ady na korontana akory eto”, hoy ny kaomisera lefitra, tsy rototra.

Tsotra ihany koa ny  navalin’ireo zandary dia ny hanakatonana ny trano fivarotana toaka, izay anjaran’ny polisy ao Morafeno ka anisan’ny mampitaraina ny olona. Ity farany izay mahazo tombony sy misokatra mandra-maraina araka ny fantatra.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre