Vous êtes ici :

Mercredi 27 Novembre 2024

ombre

Belo ambonin’i Tsiribihina – Olona roa maty voatifitry ny dahalo

Nirefodrefotra ny basy tao Belo ambonin’i Tsiribihina ny marainan’ny alakamisy teo tamin’ny 5ora. Andian-dahalo mahatratra 30 tany ho any mirongo fitaovam-piadiana sy zava-maranitra no tonga nanafika ny fokontany Bikily ao amin’ny kaominina Tsarahotana. Olona roa namoy ny ainy nandritra ny fandalovan’ireo tsy mataho-tody tao an-toerana ary dimy hafa naratra mafy.

Vao niditra an-tanàna ireo dahalo dia nanapoaka basy avy hatrany izay nampihorohoro ny iray tanàna. Samy nisitrika mantsy ireto farany raha vao naheno ny feo basy mahery vaika nampiasain’ireo dahalo. Omby manodidina ny 30 tany ho any no norobain-dry zalahy tamina tokantrano maromaro.

Tsy niandry ireo dahalo lasa toy ny mahazatra anefa vao nihetsika ireo fokonolona fa vao hivoaka ny tanàna izy ireto dia notsenain’ireo mponina tamin’ny fitaovam-piadiana ihany koa. Raikitra noho izany ny fifandonana teo amin’ny roa tonta izay naharitra antsasakadiny. Fa noho ny hery tsy mitovy anefa dia namoy ny ainy ny roa tamin’ireo fokonolona. Voatifitra teo amin’ny fony dia maty tsy tra-drano izy ireo raha toa ka naratra mafy ny dimy.

Taorian’io fifampitifirana io vao nampandre ny mpitandro filaminana ny fokonolona. Ary efa manao ny fanarahan-dia ireo zandary miampy ny vatan-dehilahy matanjaka ao an-toerana.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre