Mercy Ships – Miverina eto Madagasikara
Niverina eto Madagasikara indray ny Mercy Ships amin’ izao fotoana izao, izay fantatra amin’ny fahazaina mandidy ary atao maimaim-poana any amin’ny sambo « Mercy Africa ». Amin’izao fiverenany izao dia niakatra aty an-drenivohitra ireo mpitsabo ary hahazo ny anjarany ny mponina eto Antananarivo.
Ny fizahana marary dia efa nanomboka omaly alatsinainy 20 jolay izay haharitra hatramin’ny 07 aogositra ho avy izao. Ny aretina fivontosana eny amin’ny tarehy, eny amin’ny loha na tenda, molotra sima, lanilany misy lavaka ary ny noma no manavanana ireo mpandidy ao amin’ny Mercy Ships.
Manala ny olatra sy firaiketana avy amin’ny may izay tsy ahafahana mihetsika ihany koa ry zareo. Mitsabo ny vehivavy mararin’ny « fistule » na tsy fahafahana mitana pipy aorian’ny fiterahana, na olana hafa tahaka ny « prolapsus utérin ». Misy ihany koa ny fanamboarana ny ranjo mivilina na ny lohalika miady ho an’ny ankizy. Mandray ireo izay mila fandidiana « hernie » sy « goître ». Ny fizahana ireo marary dia natao ao amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka.
Laurena Nany