Tsy mijery lavitra !
Nanipy teny fampieritreretana ireo kandida manao fampielezan-kevitra mba tsy hikotaba manerana ny tanàna mandritra ny fotoana hanaovana ny fanadionana Cepe anio ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, sy ny minisitry ny Atitany ary tompon’andraikitra hafa eo anivon’ny fitandroana ny filaminana. Fantatra ihany koa fa hatevenina ny fiarovana amin’ireo sekoly hanatanterahana io fanadianana ofisialy voalohany amin’ity taona ity io.
Tsy nanery ny ampijanonana ny fanamafisam-peo ireo mpitondra fanjakana saingy kosa karazan’ny manome tsiny an-kolaka izay kandida minia manao fanentanana ihany amin’ity anio ity. Notsotsorin’ny minisitryny Fanabaezam-pirenena mihitsy aza hoe izay andro iray no hanajanonana ny fanamafisam-peo dia tsy misy fatiantoka firy izany.
Karazan’ny may volon-tratra ihany ary efa tara loatra vao mahafantatra ny hadisoana goavana nataony ireo mpitondra Fanjakana. Efa tsy afala miverin-dalana intsony mantsy vao samy mikoropaka fa hay tao anatin’ny fanadinana Cepe mihitsy ny fampielezan-kevitra. Manambara io daty mifanaingina io fa tena tsy nandinika ny mety hitranga tamin’ny fisafidianana ny datin’ny fifidianana mihitsy ny mpitondra. Maimaika fotsiny namaritra izay metimety aminy ka nony injay misy ny tsy fihetezana dia ny kandida manao fampielezan-kevitra no terena an-kolaka hanajanona izany.
Tena fahadisoan’ny fitondram-panjakana zato isan-jato izao zava-mitranga izao satria izy ireo hatrany ny nampihemotra ny datim-pifidianana. Mbola izy ireo ihany koa no nikiry biby fa tsy ovaina intsony io 31 jolay io. Dia mbola izy ireo hatrany no ho tompon’andraikitra raha sanatria hisy fiantraikany amin’ny voka-panadinana ny nanatanterahana ny propagandy ao anatin’ny Cepe.
Porofo ihany koa izao zava-mitranga izao fa tena tsy mijery mialoha ny fandaminana ny raharaham-pirenena mihitsy ny mpitondra. Efa maro rahateo ny kandida sy antoko nanolotra olona ho fidiana amin’ireo fifidianana manerana ny Nosy no mitaraina fa miova isan’andro ny fitsipi-dalao. Efa aty anatin’ny propagandy ohatra ny ankamaroan’ireo mpilatsaka ho fidiana vao mahafantatra fa hay nisy novan’ny fanjakana ny fepetra. Anisan’izany ny fahazoan’ny loha-lisitra ho fidiana ben’ny tanàna milatsaka ao anaty lisitry ny mpanolotsaina ihany koa. Izany hoe efa azo antoka fa ireo kandida ho ben’ny tanàna rehetra tsy lany dia tsy maintsy ho lany ao anatin’ny mpanolotsaina. Hiteraka savorovoro eo amin’ny fitantanana ny tanàna izany satria voatery hiara-hitantana ao avokoa izany ireo kandida rehetra nifanenjika nandritra ny fifidianana. Niova tampoka ihany koa ny mahakasika ny lisitry ny mpifidy. Raha nolazaina fa iray andro mialohan’ny fifidianana izany vao ho fantatra dia nivoaka tampoka sy tonga azo jerena eny amin’ny fokontany indray.
Tena tsy misy zavatra mazava sy mahitsy mihitsy fa tena mikorontana ambony ambany ny fikarakarana ary miova isan’andro. Toa izany ihany koa ny fanovana ny ankamaroan’ireo tompon’andraiki-panjakana eny ifotony. Misy ihany koa ny voalaza fa fanaovana tsindry hazo lena amin’ireo tompon’andraikitry ny fokontany tsy dia akaiky loatra ny antoko Hvm izay mpiara-dia amin’ny fitondrana. Izany savorovoro sy fanovaovana rehetra izany dia maneho sy mitarika tsy fifampitokisana. Manaporofo ihany koa fa tsy manana drafitr’asa mazava sy lavitra ezaka araka ny ambarany ny mpitondra fanjakana fa miezaka fotsiny mampifanaraka ny asa ataony amin’ny zava-misy.
Fomba fiady fotsiny ny hoe hametraka fototra hisian’ny fampandrosoana maharitra fa hatreto aloha dia asa tandrametaka sy fanapahan-kevitra maimaika no tena hita taratra. Ato ho ato izao dia ahiana ho tsy ampy indray ny herin’aratra vokarin’ny Jirama ka hampiteraka delestazy goavana manerana ny nosy izany na ihany koa hampakatra be ny vidin-jiro. Dia mangina ny fitondram-panjakana ary hiandry grevy sy korontana lavareny indray vao haka fanapahan-kevitra toy ny natao tamin’ny Air Madagascar. Dia toy izany hatrany no zava-misy eto. Tsy mijery lavitra fa ny anio ihany!
Ravalo tsy Manana