Lozam-pifamoivoizana – Olona telo naratra mafy
Nisesisesy ny lozam-pifamoivoizana ny faran’ny herinandro tamin’ny toerana roa samihafa. Olona telo naratra mafy izay nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana. Ny alahady tolakandro no nisehoan’izany, ny iray voalohany tao Toamasina ary iray hafa teto an-drenivohitra.
Araka ny fanambaran’ny loharanom-baovao dia fiara tsy mataho-dalana no nandona posiposy tao amin’ny fokontany Tanamakoa ao Toamasina. Nipitika mihitsy ilay mpamily posiposy sy ny olona iray nentiny. Naratra mafy ireo olona roa ireo vokatry ny dona mafy nahazo azy. Teo anilan’izany dia tsy nijanona ilay mpamily nahavanon-doza fa nanohy ny lalany ihany. Nenjehan’ny olona nanatri-maso tamin’ny môtô ilay fiara fa tsy hita izay nanjavonany. Lehilahy iray 35 taona any ho any no naratra mafy nodomina fiara teny Andohatapenaka raha niampita lalana. Araka ny fantatra dia nandeha mafy ny mpamily an’ilay fiara ary taitra vao nahita an’ilay lehilahy ka nanitsaka hisatra avy hatrany dia tafajanona. Nisy fiara iray hafa kosa avy ao aorianany izay tsy tafajanona ka nandona mafy ity voalohany ka nifatratra teny amin’ilay lehilahy teo alohany. Fantatra mantsy fa noho ny hatairana be loatra dia tsy tafahetsika teo am-povoan-dalana ity lehilahy ity. Tahaka ireny novoasana ireny mihitsy ny tarehin’ilay voadona hoy ny vaovao voaray.