Mahajanga – Nisy nanafika ny « pharmacie 24/24 »
Mitohy ny asa ratsy ataon’ireo olon-dratsy ao an-tampon-tananan’i Mahajanga. Mandry an-jiran’antsy ireo mponina manoloana ireo fanafihana mitam-piadiana any an-toerana amin’izao fotoana izao. Saika isan’andro mantsy dia andrenesana
asan-jiolahy miaro vono olona foana ao amin’ny tananan’i Mahajanga. Toeram-pivarotana fanafody na « pharmacie 24/24 » iray eo akaikin’ny fiantsonana Jovenna eo amin’ny fiolahana amin’ny « cimitière » any an-toerana indray no notafihan’ny andian-jiolahy miisa 10 misaro-tava ny harivan’ny alahady 19 jolay tamin’ny 7 ora. Fitaovam-piadiana sy zava-maranitra no nentin’ireo jiolahy nanantanteraka ny asa. Soa ihany fa tsy nisy maty na naratra nandritra ny fandalovan’ireo jiolahy fa najifa kosa ny vola rehetra azon’io toeram-pivarotana fanafody io nandritra ny tontolo andro izay mbola tsy fantatra ny isany niaraka tamin’ny fanafody tao.
Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo mpiasa tao vantany vao lasa ireo olon-dratsy. Tonga teny an-toerana iretsy voalohany nanao ny fizahana ary misokatra ny fanadihadiana.
Laurena Nany