Ankorondrano – Lehilahy maty tsy tra-drano
Omaly alina manodidina tamin’ny 9 ora, lehilahy 37 taona maty nodomina fiara iray. Raha ny filazany ny nanatri-maso dia niampita ity farany ka noraofin’ny fiara, miloko volon-davenina, ka nahatratra 35 metatra niala teo amin’ny toerana nahadona azy vao tafajanona, manoloana tobin-dasantsy anankiray teo Ankorondrano. Nitsoaka avy hatrany ilay mpamily raha vao nipitika avy teo ambonin’ilay fiara ilay lehilahy ka hitany fa tsy nahatsiaro tena intsony. Ny potika « essuie-glaces » sy vakina fitaratra no tavela teo amin’ny arabe. Tapaka ny tongony sy ny valahany ary vaky ny lohany raha ny voalazan’ireo nanatri-maso hatrany. Marihina fa avy nivarotra ka handeha hody ity farany no tratra ny lozam-pifamoivoizana. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny fianakaviany raha vao nandre ary teo ihany koa ny mpitandro filaminana. Raim-pianakaviana namela kamboty telo mirahavavy ity nindaosin’ny fahafatesana ity.
Fa