Mandrimandry manana aretina
Raha atao jery tokana dia toy ny hoe milamina be izany eto Madagasikara. Raha ny hita etsy sy eroa tokoa mantsy dia manomboka miha-mafana ny fampielezan-kevitra ka na ireo antoko nanakiana sy milaza ho tsy mankasitraka ny fomba fikarakarana ny fifidianana aza dia tena mihetsika mafy. Miha tafita tsikelikely ao an-tsain’ny vahoaka fa efa ao anatin’ny vaninandron’ny fifidianana ny firenena amin’izao fotoana izao. Hatreto aloha dia ny fitondram-panjakana no mahazo tombony amin’izany rehetra izany satria adino tsikelikely ny fahoriana mianjady amin’ny vahoaka. Lasa mitodika any amin’ny fampielezan-kevitra avokoa mantsy ny hevitra rehetra ka tsy misy mijery intsony ny fahoriam-bahoaka. Raha isaina anefa ny isan’ny faty olona vokatry ny asan-jiolahy sy herisetra samihafa, ary ny lozam-pifamoivoizana dia tsy niova fa vao maika aza nitombo. Misoko miadana toy izany ihany koa ny fisondrotry ny vidim-piainana andavan’andro. Manampy trotraka ireo ny fihitaran’ny hetsika fitokonana etsy sy eroa. Tsotra ny hamalian’ny mpitondra izany: aleo handeha ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly fa ireo no hita fa vahaolana hampandrosoana ny tanàna. Lasa ahiliky ny fitondram-panjakana faobe any amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana indray ny asa fampandrosoana amin’izao fotoana izao. Ekena fa tena zava-dehibe ny asa fampandrosoana miainga eny ifotony saingy kosa tsy andraikitry ny ben’ny tanàna izany ny mampandroso ny firenena fa an’ny fitondrana foibe.
Raha ny fanazavan’ireo mpitondra mantsy dia toy ny hoe hisy zava-mahagaga hitranga mihitsy eto Madagasikara raha vao vita eo ny fifidianana kaominaly manerana ny Nosy. Misy fanararaotana sy fitaka ihany ao anatin’izany rehetra izany satria efa hain’ny mpitondra mihitsy ny mamilivily ny saim-bahoaka mba tsy hifantoka amin’ny tena zava-misy marina fa hanonofy izao zavatra tsy hisy rehetra izao. Ny tena zava-misy marina anefa dia ny omaly tsy miova ihany ary vao maika aza miharatsy. Ho an’ny eto an-drenivohitra sy ny manodidina manokana ohatra dia mitaraina ny mponina eny Ampitatafika iny fa tsy mbola vita ny lalana efa tokony ho namboarina hatramin’ny fiandohan’ny taona. Toy izany ihany koa ny eto afovoan-tanàna izay hita fa efa miverina sahady indray ireo lavaka be eny amin’ny arabe. Midika ireo fa manao asa tandrametaka sy kitoatoa ny mpitondra ary manantena ny hanankina ny famitana izany amin’ireo ben’ny tanàna ho voafidy eo. Izany hoe atambesatra eo am-baben’ireo ben’ny tanàna vaovao avokoa ny asa mafy tsy vitan’ny fitondram-panjakana foibe hatramin’izay. Iaraha-mahita anefa fa efa fanaon’ny mpitondra eto Madagasikara hatramin’izay ny fingampingana atao amin’ireo ben’ny tanàna tsy miray firehana na antoko amin’izy ireo. Mazava ho azy fa tsy hisy ny asa fampandrosoana ho vita. Porofo iray tsy azo hadinoina mikasika izany ny manjo ny tanànan’Antananarivo amin’izao fotoana izao satria natao mihitsy izay tsy hahavitan’ny filohan’ny delegasiona manokana Ny Hasina Andriamanjato na dia ny mpitondra ihany aza no nanendry azy.
Manamarina ity tranga ity fa tsy misy antoka mazava mihitsy ahafahana mampandroso ny firenena na dia atao aza ny fifidianana kaominaly manerana an’i Madagasikara. Lasa fitaovana ialan’ny fitondram-panjakana andraikitra sy hanadinoana ny krizin’ny andrim-panjakana fotsiny sisa ireo fifidianana karakaraina ireo. Ahiana anefa ny hipoiran’ireo mpanao politika nangataka ny hanovana ny governemanta aorian’ny fifidianana. Hanararaotra hanakorontana rahateo izay resy eo ary hilaza fa nisy ny tsy fahatomombanana sy ny hala-bato nandritra ny fifidianana ka tsy hanaiky izay ho voka-pifidianana eo. Mandrimandy manana aretina noho izany ny fitondram-panjakana raha mihevitra fa tena vahaolana entina andaminana ny disadisa politika eto Madagasikara tokoa ny fifidianana karakaraina amin’izao fotoana izao.
Ravalo tsy Manana