Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Fanadinam-panjakana – Nilamina ny Cepe manerana ny Nosy

Nizotra an-tsakany sy andavany ny fanadinam-panjakana voalohany manerana ny Nosy, dia ny fanadinana Cepe izany. Samy nanaja ireo mpanala fanadinana avokoa ny ankamaroan’ireo kandida nilatsaka ho fidiana amin’ny kaominaly. Voahaja tanteraka ny fahanginana nandritra tamin’ny andron’ny 21 jolay. Samy nanapa-kevitra ny amin’ny fampitsaharana ireo hetsika fanentanana amin’ny fanamafisam-peo entina amin’ny fiara mihodidina ny tanàna na “tam-tam” ny kandida rehetra.

Vao maraina dia efa samy nitanjozotra nihazo ireo foibem-panadinana ny ray aman-dreny amin’ny fanohanana ireo ankizy hanala io fanadinana io. Tamin’ny fanambarana nataon’ireo ray aman-dreny dia mila tambitamby ny ankizy amin’izao fiatrehana dingana lehibe eo amin’ny fangalana ny diplaomam-panjakana voalohany izao, izay mahatonga azy ireo hanatitra ny zanany.

Etsy ankilan’izay kosa dia matoky ireo mpianatra tanteraka ireo mpanabe. Nandritra ny folo volana nampianarana ireo ankizy mantsy dia efa natao avokoa ny fomba rehetra mba hampitana tsara ny lesona tany amin’ny ankizy.

Laurena Nany

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre