Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Mpiasam-panjakana taloha nanafika toeram-pivarotana – Lasa ny 12 tapitrisa ariary

Ny alin’ny alatsinainy teo no nisehoan’izany tao amin’ny toeram-pivarotana iray teny Anosizato. Miisa efatra izy ireo no nanantanteraka ny asa ratsy ary mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika saingy tsy nisaro-tava. Fantatr’ilay voaroba tsara noho izany ilay mpiasa mpanjakana izay tsy iza fa sefo Cisco Arivonimamo taloha ary efa nigadra tamin’ny raharaha fanodinana volan’ny Fram ny taona 2012. Ity farany izay fantatra fa mpifanolo-bodirindrina aminy ihany araka ny fitantarany.

Nandritra ny fandalovan’izy ireo tao dia nanjavona ny lelavola mitentina 12 tapitrisa ariary sy ny vola azo ny tontolo andro. Nisy noho izany ny fisavana ny tranon’ilay sefo Cisco fa hatramin’ny nanoratana dia mbola tsy niverina  tao an-tranony izy. Noho io fanjavonana io dia mipetraka ny ahiahy marina amin’io olona io.

Mampametra-panontaniana ihany koa ny firiarian’io lehilahy lehibe jiolahy io amin’izao fotoana izao. Raha ny tokony ho izy dia mbola manefa ny saziny any am-ponja ity lehilahy ity noho ny raharaha fanodikodinana volan’ny Fram izay nataony ny taona 2012.

Raha tsiahivina dia nilaza ho notafian-jiolahy izy tamin’izany fotoana izany ka lasa ny vola an-tapitrisany. Simba ihany koa ny fiarany tamin’izay. Rehefa natao anefa ny fanadihadiana dia nadonany tamin’ny zavatra io fiara io. Misokatra ny fanadihadiana.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre