Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Analakely – Voatora-bato ireo mpiasan’ny fivondronana

Nanao ny asany andavanandro amin’ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana ireo mpiasan’ny fivondronana teny Analakely raha nisafoaka tampoka ireo mpivarotra rehetra teo amin’ny manodidina. Tsy toy ny mahazatra anefa fa nandeha fiara tsy mataho-dalana ireo mpiasa ireo raha toa ka kamiao foana no ahafantarana azy ireo. Tsy nampoizin’ireo mpivarotra noho izany ny fahatongavan’izy ireto tao anaty izany fiara izany ary nandraoka ireo entan’ireo mpivarotra. Tsy nahafaly azy ireo anefa io fakana entana io ka raikitra ny tora-bato sy hazo be ary birika an’ireo mpiasan’ny fivondronana ireo.

Tratra tao anaty fitohanana ihany koa ireo mpiasan’ny fivondronana ireo ka horakoraka sy ompa variraraka no nataon’ireo mpivarotra azy ireo niaraka tamin’izany toraka izay ka simba tamin’izany ny fiara nitondra azy ireo sy taksibe nijanona akaiky teo.

Nampitaraina ny teo amin’ny manodidina io fehitsika nataon’ireo mpivarotra ireo satria mety handratra ny olona sy ny mpandalo izany toraka izany. Tsy nisy ihany koa ny fandraisana andraikitry ny mpitandro filaminana manoloana io toe-javatra io izay nahagaga ireo nanatri-maso. Efa samy niparitaka ny olona izay vao tonga teo izy ireo handamina ny raharaha saingy efa tara.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre