Fihetsiketsehana no betsaka !
Nahoraka tokoa ny resaka mikasika ny fisamborana ilay lehilahy voalaza fa tompon’andraikitra volaohany amin’ny fanondranana hazo saroby avy eto Madagasikara makany ivelany. Nahavatra niantso mpanao gazety mihitsy ny vondron’ireo fikambanana mpiaro ny tontolo iainana malagasy mba ampahafantatra izany. Tsy sahy namoaka ny anaran’ilay olona voarohirohy anefa izy ireo. Ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly sy ny fitsarana manokana miady amin’ny kolikoly ihany koa dia nanonona ny anaran’ilay olona ary nanitrikitrika fa io mihitsy no tena fositra. Mipetraka avy hatrany ny fanontaniana hoe tena resaka andramena tokoa ve no hanenjehana io olona io ary tena nanao izany tokoa ve izy sa resaka tondro molotra sy halako bika tsy tiako tarehy fotsiny ny zava-misy. Nahagaga ny maro mantsy fa navotsotra izy avy eo na dia efa tondroina fa olon-dratsy aza. Mazava ho azy fa tsy ampy ny antontan-taratasy sy porofo anamelohana azy matoa izy tsy nogadraina avy hatrany. Afa-baraka fotsiny.
Hatreto rahateo raha ny fahafantaran’ny maro azy dia tsy mbola nitsangana ilay fitsarana manokana momba ny resaka fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, indrindra ny andramena. Na izany aza sokajiana ho heloka bevava ny fanondranana an-tsokosoko ary misy fitsarana afaka mitsara ny heloka bevava eto. Lasa ny saina hoe maninona no tany amin’ny Bianco sy ny fitsarana amin’ny kolikoly no nalefa ny raharaha fa tsy teny anivon’ny polisy sy zandary no manao ny fandihadiana ary atolotra ny fitsarana mikasika ny heloka bevava avy eo.
Manalasala ity resaka fanondranana andramena ity satria amin’ny ankapobeny dia tsy mbola nisy tompon’andraikitra tratra ambodiomby izany fa ny fitorohana amin’ny alalan’ny haino aman-jery no tena betsaka. Ireo fikambanana sasany miaro ny tontolo iainana anefa dia mitatitra hatrany fa misy ireo mpanapaka, mpitatitra, ary mpanondrana izany any anaty sambo hitam-poko hitam-pirenena. Ny minisitry ny Tontolo iainana ihany koa dia nilaza vao tsy ela akory izao fa misy olona maromaro miketrika hanondrana andramena any avarabaratry ny Nosy any. Koa maninona ary no tsy andefasana mpitandro filaminana hisambotra ireny avy hatrany fa dia miandry izao fanadihadiana ambony latabatra rehetra izao foana?
Nisy olona ambony eo amin’ny sehatry ny fiarovana ny ala voajanahary iray nanazava fa mbola an’arivony ny bolabolan’andramena efa voatapaka fa miandry fanondranana fotsiny sisa. Azo fantarina ny toerana misy izany ary efa nampahafantarina ny tompon’andraiki-panjakana rahateo. Inona anefa no nahamaika ny fanjakana? Ny handany vola an-tapitrisany dolara hanao ny fanisana ireo hazo efa tapaka fa tsy ny hisambotra ireo mpanapaka sy mpitatitra ary ny mpaniraka. Mety hisy hilaza hoe io efa nisy iray tratra, saingy iaraha-mahalala fa tsy olon-tokana no manao io fanondranana io eto amintsika. Izany hoe tsy hanafoana ny resaka andramena mihitsy ity fihetsiketsehana be ataon’ny birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly ity. Fanimbana ny tontolo iainana sy fandrobana ny harem-pirenena fototry ny olona nefa resaka kolikoly no hanejehana ilay voapanga. Iaraha-mahita rahateo ny fomba fiasan’ny Bianco izay tsy tena misy vokatra misongadina hita ankoatra ny fanalam-baraka olona. Anisan’izany ny nampahoraka ny resaka fanodikodinam-bola teo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana, teo ihany koa ny raharaha Alasora, ary ny Jirama. Very an-javony anefa ireny rehetra ireny satria tsy hita hoe nisy olona nidoboka am-ponja avy eo fa afa-baraka fotsiny ireo voarohirohy.
Miadam-piasa sy miodim-piasa loatra ity fitondram-panjakana ity ka lasa fihetsiketsehana no betsaka fa tsy hita izay vokatra. Tsy mahagaga raha manararaotra toy ny banga mihomehy alina ireo mpambotry ny harem-pirenena. Ny mahazendana aza dia toa ireo mpandraharaha malagasy hatrany no enjehina ho tompon’antoka amin’ny fanondranana harem-pirenena fa ireo vahiny izay hita sy azo sary fa maka izany amin’ny sambo tsy asiana fanadihadiana miihitsy. Vitan’ny fanambarana sy ny fampananteanana fotsiny ny fiarovana ny harem-pirenena fa tsy hita izay tena vokatra amin’izany. Mbola lavitra ezaka vao ho tafita isika satria fihetsiketsehana no betsaka.
Ravalo tsy Manana