Vous êtes ici :

Jeudi 28 Novembre 2024

ombre

Hafari Malagasy Mandia ny faha herintaonany ny ao Antsirabe

Ny sabotsy lasa teo no nomarihina tao Antsirabe ny faha herintaona nitsanganan’ny fikambanana miharo ny zon’olombelona Hafari Malagasy. Isan’ny tanàna nitondran’ny filohan’ny fikambanana Jean Niriana Rafanomezantsoa ny tetik’asa fifindra-monina ihany koa Antsirabe ary efa mandeha araka ny tokony izy. Fantatra fa ny teny Soaniedanana amin’ny lalam-pirenena faha 4 iny no tena nasiana resaka raha ny mikasika izany fifindra-monina izany, azo lazaina fa efa mahafeno ny fepetra amin’ny maha tanàna azy tanteraka. Ny faha 5 ny vola aogositra ho avy izaho ohatra dia hitokana ny fahatongavan’ny jiro eny an-toerana ny mpikambana rehetra. Nanamafy ny fivelarany amin’ny hafa ihany koa ny filohan’ny fikambanana, maro amin’ireo vahiny ihany koa no efa liana sy te hiara-hiasa aminy amin’izany. Nisy ny fihaonana natao tao amin’ny masoivohy n’ I Turquie sy ny an’ny Frantsa. Fihaonana hamaritana ny mety iaraha-miasa amin’ny fampandrosoana sy fanitarana ary ny fomba fitantanana izany tanàna vaovao izany.  Nanamafy hatrany ny tsy fidiran’ny fikambanana amin’ny politika ihany koa ny mpitarika azy, nilaza kosa anefa ity farany fa tsy afaka misaraka amin’ny fitondrana ny asa ataon’izy ireo, noho izany tsy afaka misaraka amin’ny fitondrana sy ny fanarahan-dalàna ny fikambanana. Tsy manohana olona ihany koa izy ireo amin’ity fifidianana ho avy ity, saingy milaza ny vonona hiara-hiasa  amin’izay ho lany eo.

N.F

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre