Vous êtes ici :

Vendredi 29 Novembre 2024

ombre

Vohémar – Naolany ny reniny avy eo notetehany

Habibiana tsy roa aman-tany no vitan’ny tovolahy iray 30 taona any ho any tao ambanivohitry Iharana ny faran’ny herinandro teo. Naolan’ity tovolahy ny reniny ary tsy vitan’izay fa mbola notetehany tamin’ny famaky ilay ramatoa hany ka maty tsy tra-drano. Mifoka rongony ity tovolahy ity araka ny fantatra ary avy nidoroka an’izany izy tamin’io fotoana io izay nafangarony zava-pisotro maha-mamo ka nahatonga azy nanao zavatra mamoafady.

Araka ny vaovao hatrany dia tsy vao sambany fa efa fanaony ny manolana ny reniny rehefa mamon’io zavatra io izy. Fa tamin’ity indray mitoraka ity dia niafara tamin’ny famonoana izany.

Notetehany toy ireny nitetika vorona ireny mihitsy ilay ramatoa hoy ny loharanom-baovao. Natokany ny tanana sy ny tongotra ary ny lohan’ilay ramatoa. Ary rehefa tonga saina tamin’ny nataony izy dia nandositra niala ny tanàna. Tsy nisy nahatsikaritra anefa io raha tsy efa ela ary akory ny hatairan’ny manodidina raha nahita izany. Ny tsy fahitana an’ilay tovolahy tao an-tanàna ihany anefa dia efa ampy nahafantarana fa izy no nahavita namono an-dreniny. Taorian’ny fikarohana nataon’ny mpitandro filaminana azy dia tratra io tovolahy io ary niaiky ny heloka vitany.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre