Mpanondrana zava-mahadomelina – Vehivavy malagasy iray migadra any Maorisy
Vehivavy iray 40 taona indray no migadra any amin’ny Nosy Maorisy noho ny fanondranana zava-mahadomelina. Amina Houssen, enjehin’ny lalàna maorisianina fa tratra tao amin’ny fiantsonan-piaramanidin’ity Nosy ity niaraka tamin’ny 356,85 grama « héroïne » sy 13,538 grama « cannabis » izay nifono tao anaty baoritra fanomezana, avy taty Madagasikara. Ireo rongony ireo izay mitentina any amin’ny 6 tapitrisa Rs. Nandritra ny famotorana natao azy manoloana ny fitsarana ny sabotsy lasa teo dia nilaza fa iraka izy ary tsy fantany fa zava-mahadomelina ity nentina ity fa heveriny fa vovona volamena izay aterina amin’ny trano fandraisam-bahiny lehibe iray ao an-toerana. Mpivarotra lamba ny asany fa manana olana ara-bola izy ka izany ramatoa Mimi izany no nilaza ho mahavaha ny olany ara-bola raha manampy azy amin’ny fitondrana zavatra any Maorisy fa tsy fantany io zavatra io ary tsy te-hahalala izy, raha ny filazany hatrany. Nandritra ny fitsarana azy izay ihany dia nilaza ny « officier de l’Adsu » tao amin’ny fiantsonam-piaramanidina fa natahotra mafy ity ramatoa ity tamin’ny fisavana azy, ary nilaza tamin’ireo polisy tao an-toerana fa hanatitra entana no anton-diany fa tsy nisy olona kosa nitsena azy. Amina Houssen izay nanao azafady manoloana ny fitsarana tamin’ny fahadisoana izay nataony noho ny olana ara-bola izay nianjady taminy ary izao miteraka ny fahatin’ireo zanany roa satria ity farany migadra any Maorisy.
Laurena Nany