Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Ankazobe – Tovolahy iray lavon’ny balan’ny dahalo

Tsy nisy nifandrenesana ny fipoapoaka ny basy nataon’ny dahalo ny harivan’ny alakamisy lasa teo tao Ankazobe. Mbola tsy niditra ny tanàna akory ireo dahalo dia efa nirefodrefotra tsy nisy ohatr’izany. Tovolahy iray vao erotrerony no namoy ny ainy ary omby manodidina ny 30 isa no lasa tamin’izany.

Dahalo miisa enina nitondra basim-borona no tonga tao amin’ny tanànan’Ampahibe, kaominina Kianja, nandroba ireo mpamboly ireo tao an-toerana. Raiki-tahotra ny fokonolona raha nahare ny poa-basy ka tsy nisy sahy nivoaka ny tranony afa-tsy ity tovolahy iray ity. Nitsirika teo am-baravarankely mantsy izy ka avy hatrany dia niantefan’ny balan’ireo dahalo. Voa teo amin’ny lohany dia maty tsy tra-drano ity farany. Teo anelanelan’izay dia nihazo ny valan’ombin’ireo mpamboly ireto olon-dratsy ary nandroba ireo omby miisa telopolo ary nandositra rehefa nahazo izay nilaina.

Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo fokonolona raha vao lasa kelikely ireo tsy mataho-tody. Taorian’ny fizahana nataon’ny zandary dia nisy ny fanarahan-dia niaraka amin’ny fokonolona fa mbola tsy nahitam-bokany izany. Mitohy ny fikarohana.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre