Vous êtes ici :

Dimanche 24 Novembre 2024

ombre

Fasana roa vaky – Nanjavona ny razana rehetra tao am-pasana

Ataon’ny jiolahy mahita mihitsy ny fasana izay tandrify azy ireo. Fasam-be miisa roa indray no lasibatra teny Tanimanjaka, kaominina Talatan’Ivolonondry. Tsy fantatra mazava tamin’ny oviana no novakian’ireo jiolahy ireo fasana ireo fa ny sabotsy lasa teo tamin’ny 11ora atoandro no nisy nahatsikaritra izany. Nampandre ny sefom-pokontany avy hatrany ny fokonolona ary ity farany indray niantso ny mpitandro filaminana. Nampahafantarina niaraka tamin’izay ihany koa ny tompon’ny fasana.

Tamin’ny fitsirihina natao dia hita fa razana miisa telo sisa no navelan’ireo olon-dratsy tao amin’ny fasana iray voalohany. Mbola tsy fantatra kosa ny isan’ny razana very tao amin’ny faharoa. Mbola tsy misy kosa ny olona ahiana ho tompon’antoka amin’ity vaky fasana ity. Misokatra ny fanadihadiana.

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre