Vous êtes ici :

Samedi 23 Novembre 2024

ombre

Naloan’ny vahoaka !

Miteny ho azy ny vokatra raha ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly farany teo no jerena. Tsy tian’ny vahoaka intsony ity fitondram-panjakana mijoro ankehitriny ity. Resy tanteraka mantsy ny antokom-panjakana tany amin’ireo renivohim-paritany 6 sy tany amin’ireo renivohi-paritra sy distrika maro manerana ny Nosy. Porofo izany fa mandinika ny raharaham-pirenena ny vahoaka malagasy ary tsy azo fitapitahina amin’ny kabary tsara lahatra sy fampanantenana poak’aty lava izao. Na tsy tomombana aza ny fifidianana ary hita niharihary ny fisian’ny fikasana hangala-bato dia tsy mbola naharesy ny kandida avy amin’ny antoko ivelan’ny fitondrana ihany ny HVM. Teto an-drenivohitra no tena niharihary ny fankahalan’ny vahoaka ity fitondrana ity satria tsy nahazo folo isan-jaton’ny vokatra akory ny kandida notohanan’ny HVM sy ny fitondrana. Naorin’ny TIM sy ny Freedom notohanan’ny MAPAR izay samy antoko afaka manongana tsara ity fitondrana mijoro ity ny vaton’Antananarivo renivohitra.

Ekena fa tsy Antananrivo renivohitra irery no Madagasikara saingy eto avokoa no miainga ny tsirin-kevitra rehetra entina hitantanana ny firenena. Eto avokoa mantsy ny foiben’ny andrim-panjakana rehetra ary mbola eto ihany koa no miainga ny fitantanana ny firenena. Ny faharesen’ny HVM nanoloana ny TIM sy ny MAPAR dia midika avy hatrany fa tsy mamim-bahoaka eto an-drenivohitra ny fitondrana. Nataon’ny MAPAR sy ny Hiaraka Isika nandohalika ihany koa ny HVM tany amin’ireo renivohim-paritany 5 hafa izay milaza fa mitovy firehana amin’ny eto an-drenivohitra ny vahoaka any amin’ireny toerana ireny. Iray ny fijery ary iray ny foto-kevitra dia ny tsy fankasitrahana ny fomba fiasan’ny mpitondra ankehitriny. Tsy fahita maneran-tany eny fa na teto Madagasikara aza izany hoe antokom-panjakana vao herintaona teo amin’ny fahefana dia efa resy sahady amin’ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ireo renivohi-paritany rehetra.

Ireo mpitondra nifanesy dia nanjakazaka mihitsy tamin’ny fifidianana izay nokarakarainy nandritra ny fotoam-pitondrana voalohany nahateo azy ireo. Ny HVM kosa nefa herintaona monja dia efa nataon’ny vahoaka nahita lesona. Tsy kisendrasendra izany rehetra izany na sanatria halako bika tsy tiako tarehy fa mandinika sy mahatsapa ny zava-misy ny vahoaka. Tsy misy fandrosoana izany aloha hatreto fa ny fihetsiketsehana no betsaka. Tsy azo lavina ary tsy hodian-tsy hita fa tena nahavita foto-drafitr’asa sy tetikasa ny fitondram-panjakana mijoro saingy tsy ampy ireny satria ny simba no betsaka. Nisy ny lalana natao saingy maro kokoa noho ireny ny lalana simba. Nisy ny sekoly natsangana, saingy mbola maro ny nirodana sy tsy azo ampiasaina intsony. Izany hoe raha jerena ny tarehimarika dia karazan’ny mbola manenjika isa sy mameno ny banga aloha ity fitondrana ity fa tsy mbola miroso amin’ny fampitomboana ny kely efa misy.

Tsy izay no nampanantenaina ny vahoaka fa fiovana ao anatin’ny fotoana fohy. Sahirana anefa ny mpitondra hanatanteraka izany satria lany andro amin’ny fihetsiketsehana sy ny fandraisana fanapahan-kevitra tsy ahitam-bokatra akory. Porofon’ny tsy fahombiazana ny fisian’ny korontana lava amin’ireo sehatra rehetra izay lazaina fa laharam-pahamehana eo amin’ny fampandrosoana. Anisan’ireny ny Air Madagascar, ny JIRAMA, ny ady amin’ny kolikoly, ny tsy fandriampahalemana, ny Fampianarana ambony, sy Fananan-tany…izany hoe izay sehatra rehetra kitihan’ny mpitondra fa asiana fanatsarana dia vao maika mikorontana.  Mbola tsy adino ihany koa fa vao tamin’ity taona ity ny disadisa goavana mikasika ny fanovàna ny sata manokana mifehy an’Antananarivo. Tsy faly tamin’izany ny vahoaka ka dia io niseho io ny vokatra. Resy ny kandidam-panjakana. Nataon’ny vahoakan’Iarivo nahalala ny anarany araka ny fitenenana. Mbola ireo antoko ivelan’ny fitondrana no matanjaka eto ka mila miova famindra sy mba mihaino ny hafa amin’izay ny mpitondra. Karazan’ny efa naloan’ny vahoaka izy ireo raha ireny voka-pifidianana ireny no jerena!

Ravalo tsy manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre