Fanadinana Bepc – Ankizilahy 8 taona avy any Antsiranana no kely indrindra
Manomboka anio 03 aogositra ary tsy hifarana raha tsy amin’ny alakamisy 06 aogositra ho avy izao ny fanadinan-panjakana faharoa amin’ity taona ity dia ny fanadinana Bepc izany. Miisa 321 771 ireo mpiadina voasoratra manerana ny Nosy. 149 165 kosa ireo nisafidy ny sokajy A raha toa ka 172 606 ireo mpiadina nisafidy ny sokajy B. Tamin’ity indray mitoraka ity dia mahatratra 147 102 ireo mpiadina nisafidy ny taranja anglisy amin’ny taranja fanampiny. 1539 kosa nisafidy taranja alemà ary 924 nisafidy taranja espanola. Ankizilahy 8 taona ny mpiadina kely indrindra izay avy any Antsiranana raha toa ka rangahy be 73 taona ny lehibe indrindra avy any Beloha.
Miitatra any amin’ny efitrano miisa 9 129 mivondrona ao anaty ivo toeram-panidinana 959 ny fanadinana an-tsoratra. 163 kosa ny ivo toeram-panadinana fitsarana manerana ny Nosy. Ny fanamby ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ity taona ity kosa ny hamoaka ny valim-panadinana telo na fito andro aorian’ny andro farany ny fanadinana. Izany dia noho ny fampiasana ny « Logiciel de gestion des examens » any amin’ireo ivo toeram-pitsarana rehetra sy ny fisiany « assistants techniques en informatique » manerana ny Cisco miisa 114 eto Madagasikara.
Laurena Nany